MAHALEO - Meloka

MAHALEO - Meloka
2nd coup de coeur et encore mahaleo.
on l'a aussi interprété au bac de music

Fantatro fa tsy azo atao
Meloka aho ny mitia anao
saingy tsy voatana ny fo
Hitia anao an-tsokosoko.

Ireo tanako am-po tsy hilaoka
Noferako tsy navelako hivaoka
Anefa toa hery tsy hay tohaina
Tiako hodradradradraina

Fa eo ianao anilako eo
Hitako sy reko feo
Toa akaiky nefa tsy takatro
Tsy ho ahy ianao fa fantatro

Fa ny anao ny fo efa mana-tandrify
efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify
Ny ahy misy tady eny am-bohozonana
midiridiry tsy hay takonana

Ny taonantsika koa manelanelana
izaho efa halazo ianao vao voa hamelana
Ianao ary elatra enti-hisidina
izaho efa hitsingidina

Ny tanantsika dia hifanantona
Nefa tsy mihaona akory indreny miantona
Samy tia nefa tsy manantena
Ny lalantsika tsy hifanena...

# Posté le jeudi 22 juin 2006 05:21

LTR ARTWORK

LTR ARTWORK
le portfolio de LTR
site bien construit et vraiment interessant au niveau du design et du contenu.
respect pr le taff ke tu fais . ça dégaine
allez voir par vous meme vs verrez

http://ltr-artwork.com/

# Posté le vendredi 16 juin 2006 12:07

Modifié le vendredi 01 juin 2007 02:51

MAHALEO - Jamba

MAHALEO - Jamba
Une zic k'on a interprété o bac de music .
c mon coup de coeur en ce moment :

Jamba aho eny jamba
Nilaozana hazavana
Tao anaty aizim-pito aho
Aizina tsy azo hialana
Loko tokana ihany
No mba navelanao ho ahy
Dia ny maintimainty izany
Tsy misy ny ankoatr'izay

Nefa rahavako taminao no niara-dia
Tsy navelanao ho tazako
Ny lokon'ny fitia
Nefa rahavako taminao no niara-dia
Tsy navelanao ho tazako
Ny lokon'ny fitia

Moana aho eny moana
Tsy afak'hiteny akory
Raha te hiresaka aminao aho
Ny tanana no ahetsiketsik'eny
Soa fa nisy tanana
Azoko asoloko ny vavako
Ahafahako milaza
Fa ianao no fitiavako

Tsiky eny tsiky
No nasetrinao izany
Tsy navelanao ho kivy anie aho
Fa mbola anilanao hatrany
Tsiky eny tsiky
No nasetrinao izany
Tsy navelanao ho kivy anie aho
Fa mbola anilanao hatrany.

Malemy aho eny malemy
Tsy afak'hijoro akory
Enta-mavesatra ho anao
Mahatonga sorisory.
Fiantrana fotsiny ihany
No mahatonga anao ho eo
F'izay any am-ponao any
Mandratra ka tsy tianao aseho.

Nofihininao mafy ny tanako
Ka hoy ianao hoe mangina
Fa ny andro sisa hiainako
Natokako ho anao ry tiana
Nofihininao mafy ny tanako
Ka hoy ianao hoe mangina
Ny ranomaso naneniky ny tavako
Ranomasom-pifaliana.

N'inona voina mety hitranga
Tsy zanaky ny hafa ianao
Ny voahary tsy tia banga
Hisy hitoetra eo anilanao.

Ny jamba hisy hitantana
Ny moana hisy handre
Ny tsy salama vatana
Hisy hampianatra handeha
Ny jamba hisy hitantana
Ny moana hisy handre
Ny tsy salama vatana
Hisy hampianatra handeha!

# Posté le mardi 06 juin 2006 12:50

5 membres de la team du tournoi du sida

5 membres de la team du tournoi du sida
de gauche à droite
moi loic greg mathieu guy & dd

# Posté le lundi 22 mai 2006 15:41

ac guy et loic

ac guy et loic

# Posté le lundi 22 mai 2006 15:32